NY HAFATRA MOMBA NY FIRAHALAHIANA | NY HAFATRA MOMBA NY FIRAHALAHIANA | 40
(1-47)

FAHA EFATRA: Miteny araky ny اَنْ يَاْكُلَ لَحْمَ   fa inona no nitranga amin’ny maha olombelona anareo, ka lasa hoatrany biby dia ka mahavita mamotipotika ny namanareo amin’ny nify.

FAHA DIMY: Miteny araky ny اَخ۪يهِ   : moa ve efa tsy mananana fangoraham-po ho an’olombelona sy rohim-pianakaviana anareo ka vatana ara-tsainan’ny rahalahinareo izay voany tsindry hazolena toy izao dia kakairinareo amin’ny tsy fisian’ny henatra?. Ary moa ve efa tsy misaina ianareo ka manaikitra ny vata-nareo amin’ny nify nareo toy ny adala?

FAHA ENINA: Miteny araky ny مَيْتًا : Aiza ny fahangorahanareo? Simba ve ny toetra-nareo, ka manao zavatra tena marikoriko tahaky ny mihinana ny nofony rahalahinareo izay tena ajaina.

Midika fa miaraka dikan’io ampahan’ny Qur’any sy porofo etin’ireo teny tsiriray ireo dia: NY FIFOSAFOSANA SY FANENDRIKENDREHANA DIA TSY EKENA ARA-TSAINA SY ARA-PO SY AMIN’NY MAHA OLMBELONA SY AMPANGORAHANA SY ARA-TOETRA SY ARA-KOFISIALY. Dia jereo; nahoana no nahavitan’io andinin’ny Qur’ani io nanameloka ny fifosafosana amin’ny lafin’ny enina amin’ny alalan’ny teny kely, manakana ny fahotana amin’ny alalan’ny fahagagana enina.

No Voice