NY HAFATRA MOMBA NY FIRAHALAHIANA | NY HAFATRA MOMBA NY FIRAHALAHIANA | 39
(1-47)

Izao endrika izao dia: fantatra fa ny HAMZA eo amin’ny lohan’ny andininy (AYA) dia midika fanontaniana, ka miditra ao anatin’ny teny rehetra tahaky ny rano, ary isaky ny teny dia manana heriny miafina

KA NY VOALOHANY; dia manontany araky ny hamza: moa ve tsy manana fisaianan izay misy fanontaniana sy valiny ianareo ka tsy mahalala an'izao zavatra izay farany ratsy izao?

NY FAHAROA: Miteny araky ny  يُحِبُّ : moa ve efa simba tanterak ny fonareo izay manana fitiavana sy fankahalana ka ny zavatra izay farany marikoriko no tiany atao?

FAHA TELO: Miteny araky ny اَحَدُكُمْ : fa inona no nitranga tamin’ny fiainana ara-tsosialy sy kolotsaina nareoizay manala ny fiainanana avy amin’ny fiaraha-monina ka asa toy izao izay manapoizina ny fiainanareo no ankasitrahiny.

No Voice