NY HAFATRA MOMBA NY FIRAHALAHIANA | NY HAFATRA MOMBA NY FIRAHALAHIANA | 41
(1-47)

NY FITAOVAM-PIADIANA FARANY AMBANY IZAY TENA AMPIASAIN’NY FIFOSAFOSANA, FAHAVALO SY FIALONANA SY HAMAFISAN-DOHA. NY OLONA MANAM-BONINAHITRA DIA TSY LATSA-KAJA SY TSY MAMPIASA AN’IO FITAOVAM-PIADINA MALOTO IO.

  Nisy olona malaza iray niteny:

وَ اُكَــبِّرُ نَفْس۪ى عَنْ جَزَٓاءٍ بِغِيْبَةٍ    فَكُــلُّ اِغْتِيَابٍ جَهْدُ مَنْ لَا لَهُ جَهْدٌ ﱳ

Izany hoe; tazomiko ambonin’ny fanaovana fifosafosana ho an’ny fahavaloko ny tenako ary tsy ampidiniko. Satria ny fifosafosana dia fitaovam-piadian’ny olona malemy, marikoriko sy ambany.

Ny fifosafona dia ny hoe: raha ohatra ka eo ny olona izay ho fosaina ka raha ohatra ka enony dia tsy ho faly ary aneho ny hatezerany. Ka raha ohatra ka marina ny izay teneniny dia efa fosa rahateo, faraha ohatra ka lainga ny izay teneniny dia sady fosa no fanedrikendrehana. Dia fahotana roa mitovona izay marikoriko.

No Voice