NY HAFATRA MOMBA NY FIRAHALAHIANA | NY HAFATRA MOMBA NY FIRAHALAHIANA | 36
(1-47)

Toy izany fona ka hatramin’ny fanombohan’ny adin’ny asa sy renivohitra tao ROSIA.

Ry anareo izay malala-tanana sy inakinaka, sy Ry anareo izay mpanome sy mpanao asasoa!

Raha ohatra ka tsy amin’ny anaran’ny ZAKAT ny fihantrana dia misy vokadratsy telo no hita: indraindray dia very maina fotsony, satria noho izy tsy nomena amin’ny anaran’ny Allah,dia hoatrany hoe mihaika ny mahantra ampalahelo ianao ka mamela azy hahatsapa babo. Ary dia tsy ho azonao ny doua izay Makbul avy aminy. Sady na dia ny manam-pahefana mpizara harenan’ny Allah ho any mpanompony aza ianao,dia mievitra fa ho tompon-karena ka tsy mampiseho fankasitrahana. Fa raha ohatra ka omenao amin’ny anaran’ny ZAKAT ilay izy , ka noho izy nomenao amin’ny anaran’ny Allah dia mahazo fahasoavana ianao; maneho fankasitrahana ny fanomezan’ny tompo inao. Ary tsy simba koa ny voninahitr’izany mahantra izany noho izy tsy voatery ny handoka anao ary Makboul koa ny DOUAA izay ataony aminao.Eny,mitovy amin’ny habetsahan’ny ZAKAT na koa mety mihoatra ny karazana fiantrana, na koa aiz ho aiza ny fanomezana amin’ny lalana hafa toy ny ampitsaram-belatsihy sy am-boninahitra tahaky ny fandokafana sy fanalam-baraka izay azahaoana voka-dratsy. Ary aiza ho aiza koa ny hoe nanaovana asasoa amin’ny anaran’ny ZAKAT,sady manatanteraka ny FARZ,izay sady azahoana fahasoavana,fiantrana,sy DOUAA makbul.

No Voice