NY HAFATRA MOMBA NY FIRAHALAHIANA | NY HAFATRA MOMBA NY FIRAHALAHIANA | 10
(1-47)

Kanefa kosa dia tsy fahamarinana ny miteny ny izay marina rehetra. Fantaro kosa fa ny olona tsy manana fikasana madio hoatranao dia manimba na mampasorena ny torohevitra, manao zavatra mifanohitra amin’ny hevitra.

Fitsipika fahatelo: Raha ohatra ka te ho fahavalo ianao, dia ny fahavalo izay ao amponao ao no anaovy fahavalo, iezaho ny hanafoana azy, ny filan’ny nofonao sy ny fakam-panahy( ny hetahetan’ny nofo) izay tena manome vokadratsy ho anao io no anaovy fahavalo, hiezahina ny hanitsy azy.Noho izany hetaheta’ny fo izay mampidi-doza izany dia aza anaovana fahavalo eo amin’ny mpino islamo. Raha ohatra ka te hanao fifahavaloana ianao dia mbola maro ny ireo izay tsy mpino sy tsy manana finoana. Nahoana moa ny fahatsapanao ny fitiavana dia mendrika ho fitiavana, ka mitovy amin’izany koa ny, fahatsapana ny fahavaloana ka dia mendrika ny fahavaloana mihoatra ny rehetra,raha ohatra ka te handresy ny fahavalonao ianao dia, manaova hatsarana eo anatrehan’ny faharatsiana. Ka satria raha ohatra ka ho valinao amin’ny faharatsiana koa dia vo may mahazo vahana ny fahavaloana
No Voice