NY HAFATRA MOMBA NY FIRAHALAHIANA | NY HAFATRA MOMBA NY FIRAHALAHIANA | 12
(1-47)

Fitsipika faha efatra: Ny vahoaka'ny lolompo sy fahavalo dia mpanao tsindry hazolena sy manao tsy rariny ho an'ny tenany sady ho an'ny mpino rahalahiny sady ho an'ny indrafo izay avy amin'ny Allah. Satria ny lolompo sy ny fahavalo fampijaliana ny tenany. Ny avy amin’ny fanomezana izay tonga amin’ny fahavalo dia mitarika sazy sy fahoriana ateraky ny tahotrany dia mitarika fijaliana ho any tenany . Dia manao tsindry hazolena ho an’ny tenany.Raha ohatra ka ny fahavaloana dia avy amin’ny fialonana,dia sazy avokoa. Satria voalohany indrindra ny fialonana dia mamotika,sy manimba ary mandoro ny mpialona.Fa ny izay ialonana kosa dia mety ho hisy loza kely na tsy misy mihintsy.

Ny Vahaoalana ho an'ny fialonana: Ny olona mpialona, dia tokony mandinika ny izay ho vokatry ny zavatra nialonany, hatraminy ahazoany tsara fa ny zavatra tsara izay ananany mpifaninana aminazy eto antany, ny tanjaka sy ny toerana sy harena dia zavatra mandalo fotsiny, tsy ho mandrakizay. Ny tombontsoany dia kely fa ny fahasahiranana aterakiny dia betsaka. Fa raha ohatra ka noho ny famendrehana mifandray amin’ny tontolo ankoatra ilay izy dia tsy ahitana fialonana, fa raha ohatra kosa mbola mialona izy dia mety efa mpihatsaravelatsihy ny tenany, ary ny fananana izay ho any ankoatra dia efa simbainy eto antany.Na koa heveriny fa mpihatsaravelatsihy ihany koa ny izay ialonany, dia manao ny tsy rambiny sy manao tsindry azolena,

No Voice