NY HAFATRA MOMBA NY FIRAHALAHIANA | NY HAFATRA MOMBA NY FIRAHALAHIANA | 13
(1-47)

sady ho faly izy amin'ny fitsapana izay mandalo aminy( ilay ialonany) ary ho hanana alahelo izy amin'zay fanomezana nomena azy ka dia tezitra amin’ny hatsarana izay tonga aminy (ilay ialonany) avy amin’ny lahatra sy indrafo izay avy amin'i Allah.Hoatra ny hoe mitsikera ny lahatra ary manohitra indrafo. Ny olona mpitsikera ny lahatra dia mikapoka sy mamaky ny lohany amin’ny vato. Ary izay manohitra ny indrafo ny Allah dia very indrafo izy.

Moa ve, famindram-pony iza sy fahangorahan’iza no hanaiky ny hoe fankahalana sy fifahavaloana mandritra ny ray taona noho ny zavatra tsy misy dikany ary tsy mendrika ifahavaloana na dia ray andro fotsiny aza? Nefa kosa, ny zavatra ratsy izay nataony rahalahinao mpino aminao dia tsy mety ahilika any aminy daholo ary tsy mety anomezanao tsiny azy, satria, voaloahany efa misy anjarany lahatra ny ao anatin'izany.

Izany anjara izany dia tokony esorina ary valina amin’ny alalan’ny fankatoavana any lahatra izany. faharoa manaraka, dia tokony faritana tsara koa ny Nafs sy ny anjaran’ny satana, dia tsy tokony ho mpifahavalo amin’iny olona iny fa mety avy am’izy resin’ny Nafs dia tokony ny hangoraka ho azy sy miandry ny fanenenany.

No Voice