NY HAFATRA MOMBA NY FIRAHALAHIANA | NY HAFATRA MOMBA NY FIRAHALAHIANA | 29
(1-47)

Ny olona afa-po sy ny olona tia harena, dia mitovy amin’olona anakiroa; izay miditra anatin’ny tranom-bahininy olondehibe anakiray. Ny iray dia miteny ampahatsorana hoe’’ampy ahy raha ankasitrahiny fotsiny aho,raha ohatra ka afaka amin’ny hatsiaka ao antokotany aho dia efa ampy ahy, raha omen’izy ireo toerana izay farany ambany aho dia efa fanomezana ho ahy’’. Ny olona faharoa dia hoatrany hoe manana fanjakana sy hoatrany hoe voatery anome haja ho azy daholo ny retra ka miteny ampireharehana hoe’’ Tokony omeny ahy ny toerana izay farany ambony’’. Izy dia miditra ampitiavankarena; ny masony dia mijery ny toerana izay avo foana; ary maniry ny handeha amin’izay foana.Kanefa ny tompo-tranom-bahiny dia mampiemotra azy ary mampipetraka azy ambany. Ka dia atezerana avy ampony no omeny nefa tokony isaotra azy izy. Ary tsy fisaorana no ataony an’izay tompo-tranom-bahiny fa fitsikerana. Ka ny tompo-tranom-bahiny koa dia tsy mikarakara azy ara-dalana.Ny iray voalohany dia miditra ampanetrentena; ary maniry ipetraka amin’ny toerana izay farany ambany indrindra. Izany fanetrentenany izany dia tian’ilay tompo-tranom-bahiny “ ary mampandroso azy amin’ny toerana izay ambony” izy koa dia mampitombo ny fisaorany foana; mitombo foana ny hafaliana.

No Voice