NY HAFATRA MOMBA NY FIRAHALAHIANA | NY HAFATRA MOMBA NY FIRAHALAHIANA | 5
(1-47)

Mitovy amin'izany koa ny:Imany izay Hajany KAABA sy ny ISLAMIKA izay lehibe toy ny vohitry UHUD izay anisan’ny toetoetran’ny islamo; dia mitaky ny firaisankina sy ny fifanarahana izany, ny antony mahatonga ny fifahavaloana eo anatrehan’ny mpino islamo izay tsy misafidy ny imany sy islamika fa misafidy ny eloka mitovy amin’ireo vatokely,tena anisan’ny zavatra tsy rariny sy tsy fisainana ary anisan’ny tsindry hazolena lehibe mihintsy, ka raha misaina ianao dia mazava aminao izany!

Eny ny fitokanan’ny imany dia mazava ho azy fa mitaky fitambaran’ny fo rehetra. Ary ny fitokanan’ny imany koa dia mitaky ny firaisankina eo anivon’ny fiarahamonina. Ary anao koa dia tsy afaka manohitra fa: ny olona niray toko taminao tao amin’ny miaramila ka mahatsapa finamannana amin'iny olona iny anao, ary koa miray didy nampanaovin'ny mpandidy anao ka nahatsapa finamanana amin'iny olona iny anao. Ary koa ny mifankahita ao amin'ny toerana iray ka mahatsapa ny firalahiana eo anivon'ny olona roa. Kanefa kosa fa hazavana sy fisainana izay nome’ny imany miaraka amin’ny izay nampahafantariny sy nampisehony anao avy tamin’ny alalan’ ny ASMA-UL'HUSNA izay hoe fifandraisana eo anivon’ny tsirairay sy firahalahiana ary ny fototry ny firaisankina.
No Voice