NY HAFATRA MOMBA NY FIRAHALAHIANA | NY HAFATRA MOMBA NY FIRAHALAHIANA | 6
(1-47)

Ohatra:

Ny Nahary ianareo roa dia iray ihany, ny Mpitondra anareo dia iray ihany, ny Tomponareo dia iray ihany, ny Npanome anareo koa dia iray ihany... Iray iray, na dia hatramin'ny arivo aza dia iray iray ihany. Ary koa ny mpaminany nareo dia iray, ny finoana nareo dia iray, ny QIBLA nareo dia iray... iray dia iray, na dia hatramin'ny zato aza dia iray iray ihany. Avy eo koa ny tanana nareo dia iray, ny firenena nareo dia iray, ny tanidrazana nareo dia iray, hatramin'ny folo dia iray iray ihany….

Ireo tokana rehetra ireo dia mitaky fifampitantanana sy fitambarana sy firaisankina sy firahalahiana ary fifankatiavana,hita loatra fa mampitambatra ny tontolo sy ny rehetra any amin’ny habakabaka ao anatin'ny rojovy ara-panahy anakiray izy rehetra io ka raha ohatra ny saina nao tsy maty, ny fonao mbola midoboka dia tokony ho fantatrao fa tena anisan'ny tsindry hazolena izay farany lehibe ny tsy fifandraisana sy ny fizarana izay mahatonga ny tsy fifankazahoana sy fifahavaloana izay zavatra tsisy antony sy mora simba tahaky ny faroratra no safidina eo anatrehan'ny samy mpino amin’ny fanaovana fahavalo goavana sy mifantoka amin’ny tsy fifankazahoana dia anisan’ny tsy fanomezana haja sy fanaovana tsirambiny eo anatrehan'ny fifankatiavana,ary eo anatrehan’ny fifandraisana ara-pirahalahiana dia tena anisan’ny tsindry hazolena sy tsy fahamarinana..

No Voice